Salamo 91
Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany
1Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
2Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
3Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. 4Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. 5Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, 6Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana. 7Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany 8H